Tantaran' ny Vavolombelon' i Jehovah

Ny tantaran' ny Vavolombelon' i Jehovah dia anomboka tamin' ny taona 1870, fony i Charles Taze Russell lasa lehiben' ny vondrona mpandalina Baiboly tany Pittsburgh, Pennsylvania. Nantsoina hoe "Mpianatra ny Baiboly" ny Vavolombelona tamin' ny voalohany, tamin' ny taona 1917, fony i Joseph Franklin Rutherford no filohan' ilay hetsika. I Rutherford, izay nanambara ny taona 1925 ho datin' ny Hara-magedona, dia nanome tari-dalana vaovao an' ilay hetsika ary nanome anarana azy io hoe "Vavolombelon' i Jehovah" tamin' taona 1931.

Taorian' ny nahafatesan' i Rutherford dia i Nathan Homer Knorr no lasa filohan' ny Watchtower Society izay fikambanana manara-maso ny asan' ny Vavolombelon' i Jehovah. Efa tamin' ny taona 1966 no voalaza fa ny amin' ny taona 1975 no mety ho andron' ny Hara-magedona. Ny tsy fahombiazan' io faminaniana io dia nitarika fanavaozana lehibe, hany ka hatramin' ny taona 1976 dia nomen' ny "filan-kevi-pitantanana" antsoina hoe Governing Body ny fitarihana ny hetsika.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Nelliwinne